Entrée | 1 Hofa sandrin' ny lanitra |
Mots élémentaires | 2 hofa, 3 sandry, 4 lanitra |
Partie du discours | 5 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 6 Littérature: poèmes |
Auteur |
7 Rajaofera Fredy |
Texte complet |
8 Ny vovoka, ahintsano. Akipaho ny nofo, 9 Avereno fa indrana, lamba mora miofo. 10 Inty ny akanjo fotsy. Ary inty ny kapa, 11 Avia, modia, ry oloko, midira aty an-dapa! 12 Ny tany nilasiana: tetezana mpamitaka, 13 Mampita fa mamefika . Loza mampibitaka . 14 Aty no azo antoka, tsy misy rebireby, 15 Avia modia, ry oloko, aza mba someby ! 16 Zava-tsoan'ny tany, ankosotra mangirana, 17 Indray mitopy maso mandavo an-kodimirana, 18 Aty no tsy mba miova, aty no volamena, 19 Avia modia, ry oloko, tomoera ka monena! 20 Vokatra ao an-tsompitra, hasasara-maina, 21 Am-baravaram-pasana tsy mahatana ny aina; 22 Aty no fitoazana ..., fararano lava, 23 Avia modia, ry oloko, hijinja ny ambim-bava . 24 Ny zanakao afoizo. Ny vadinao ilaozy; 25 Aty andrasana izy, ny fiainanao havaozy. 26 Avelao ny havana voa lefona maranitra, 27 Avia modia, ry oloko, mila anao ny lanitra ! 28 Ialao ny gidragidra , ny loza sy ny ankaso, 29 Aty ny Paradisa, tsy misy ranomaso, 30 Ho inonao ny tany, mpamingana mandady, 31 Avia modia, ry oloko, ry oloko afaka ady! 32 Faharesena an-tany no lalan-tora-tady 33 Diavin'ny mpandresy hamonjy lokan'ady , 34 An-koatry ny hita maso, hitohy ny voatahy: 35 Avia modia, ry oloko, an-dapan'ny Fanahy! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |